Namana

Nampidirin'i antonny | 29 Mar, 2006

                                         Araka  ny loha-teny dia ny fahaizanao,manavaka ny namana ho ahafahanao mamaly io loha-hevitra anankiray io sastria eo no ahafantaranao hoe: "Izy ve sa mbola misy andrasana" izany io tokoa ve mety ho tena namanao sa mbola hafa. Noho izany dia maro tokoa ny namana, hoy aho satria ny ankamaroan'ny olona rehetra dia manana izany atao hoe:" namana" izany, ny zava-misy mantsy dia miankina amin'ny namana no mety hiany koa hanova ny fiaiananao na ny hoavinao, raha miteny ianao hoe: " tsy marina izany fa hevitro samirery tsy azon'iza hovaina no miasa ka tsy misy maha-ova" dia saiko ny milaza fa mandainga ianao ary tsy vitsy ny nanao azy ho mafy be teo amin'ny fiainana kanjo dia indrisy mantsy..... izany no vokany, raha izany dia miankina amin'ny namanao koa mety mahatonga ny hoavinao noho izany dia diniho ary izay tokony ho namanao mba hahatonga ny fiaiananao ho metimety sy ho tsara fiafarana.

Mahaiza mandinika fa anisan'ny mampiavaka ny olona sy ny biby izany( fandinihina ).